Le tagalog: une langue austronésienne...
Monday, March 24, 2008 1:13:18 AM
Satria 'zany notagenan'i Hery aho dia mamaly. Tsy dia tiako loatra mitantara tsiambarafito satria ohatran'ny miboridana izany aho, nefa somary saro-kenatra kely izay ihany le bandy...Izany no izany fa mahafinaritra ahy mamaky ny an'ny hafa

Isa ny amontana: tsy dia tiako loatra ny mijery teny gasy rehefa soratana, miteny sy manoratra vitako ihany, fa raha vao lava be ilay lahatsoratra dia vetivety aho dia leo, marina fa tsy namaky boky teny gasy firy le bandy, ankoatry ny Vakivakimpiainana sy ny Takelaka notsongaina ary ny anganon'ny Ntaolo angamba... fa ny mihaino sy miteny kosa dia tena ankafiziko tanteraka!
Roa ny aviavy: mianatra fiteny zara raha misy mahalala sy tena tsy azo ialana raha toa ka hiverina hanangana ny tilikambon'i Babela isika aho, dia ihomehezan'ny olona aho rehefa miresaka momba io fiteny io. Kanefa aho tena mino tanteraka fa raha miteny io fiteny io daholo ny olona, dia mety (mety hoy aho) hihena ny hadondronany!
Telo fangady: tena tiako mihintsy ny miboridana tanteraka rehefa matory (fa somary mangitsy aty dia tsy ataoko intsony io, fa tany Saigon, 30°C ny marimaritra dia tena sambatra mihintsy aho...)
Efa-dRofia: tena nataoko ho nitopy volomboasary toy ny kaky (voakazo amin'ny sary) ny loko antsoina hoe "kaki" (le hira hoe: Patalohanay pataloha kaki 'zay mahita anay mitoraka sali, sira fa tara ianao an an! any ambadik'i Sahondra ianao an an!) - ny kaky aloha dia anisan'ny voakazo tsara indrindra e! indrindra izy ohanina vao maraina, mangatsiatsiaka tsara iny! mmmh...
Dimy emboka: misy trondro vaovao hono, Blackbass no anarany, fa na izany aza tena faran'izay fialamboly tena halako ny manjono! tena tsy azoko mihintsy hoe inona no fy azo amin'ny fanjonoana.
Eni-mangamanga: Mangamanga ny lanitra no fiteninay tamin'ny mbola kely rehefa mahita ny lokon'ny polisin'ny ankizivavy manao zipo manao dihimbazaha...
Fitombenana: Paraky no zava mahadomelina nahamamo ahy voalohany, tena somary jaonjaona kely mihintsy aho tamin'izay! tena tia andrankandrana izay mantsy ny kofa tam'zany, na hatramin'iny ka hatramin'izao ny foko mbola te hanao...
Sady tena sarotra be mihintsy kay 'lay mamaly, tena kozy sérieux!
Cliquer sur "read more" pour lire un essai de traduction simultanée.

